Bonne année 2009!!!

# Posté le samedi 03 janvier 2009 12:15

AMBONDRONA 5 - AMPY AHY

Nalaina izy ny hiantso indray
Te ho any aho anefa tsy sahy
" zarako aza tsy hita hintsony ianao"
Avelako ho tapitra any
Sao izay ko no mba tiany atao
Na ny saiko aza tsy taitra amin'izany

Tsy hanery azy aho na hanontany
Manaiky koa aho rehef'izany, no hitany fa mety ho azy
Dia hionona ny saina
Andeha aho hiala amin'izay
F'izany ve no miandry ahy?
Ampy izay, ampy ahy

Ny ratràm-po ho vita eo ihany
Ny fotoana eo hanampy ahy
Tsy hifanerena sanatria na tsapaina
F'ho hita eo ihany
Avela hivalona rehefa izany koa no efa tiany atao
Fa ny fitiavana tsy atao an'izany

Ambo-po ihany ve ny ahy
Tsy ho tsiny anefa izany
Ny fiainana mitohy hatrany
Tsara tso-drano ...
# Posté le vendredi 24 octobre 2008 14:03

MELKY AZA VIRAVIRAINA

hay ve izy hono tsy tia ahy
hay ve toa nanitsaka ahy
hay ve izy ilay nilaza ho tia
hay ve niatsara velatsy sanatria sanatria

aza viraviraina izy io refa tia
aza atao kilalao fa omeo ilay fitia
fantatro ianao fa manam-bola sy harena
refa tianao izy aza hosihosena

marary anao izy ka mijaly
matsiaro anao izy ka tomany

ho aiza ary tsy hitako izay ho atao
ho aiza ary izy lasa nandao
ho aiza ary izy ilay nilaza fa tia
ho aiza aryniatsara velatsihy sanatria sanatria
# Posté le vendredi 24 octobre 2008 14:00

Malahelo

j'adore!
tongasoa
# Posté le vendredi 24 octobre 2008 13:54

bienvenue sur mon blog consacré à la zic et à l'humour gasy! n'hésitez pas à ajouter vos com!

enjoy
# Posté le vendredi 19 septembre 2008 16:00
Modifié le jeudi 25 septembre 2008 07:50